Oniversite Fianarantsoa : Inona no antony tsy mampivaha ny olana ?
Tsy afa-po tamin’ny vali-teny nomen’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ireo mpiasa mpandraharaha sy teknika. Roa herinandro taorian’ny nanohizany ny asa sasany tamin’ny fanomezana serivisy farany ambany dia nanapa-kevitra ny mpiasan’ny fitantanan-draharaha sy ny teknika (PAT) ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ny hanao fitokonana faobe manomboka ny alatsinainy teo, loharanom-baovao iray ao anatin’ny hetsika no resahana.
Saika ireo anjerimanontolo manerana an’i madagasikara no ahitana fitokonana amin’izao fotoana izao. Ny alarobia lasa teo no nitokona ireo mpampianatra ao amin’ny IST Antsiranana, izay mitaky ny handoavan’ny fanjakana ny karaman’izy ireo. Eo ihany koa ny amin’ny oniversite Ankatso izay manamafy isan’andro ny fitakiany. Nambara tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy lasa teo fa miverina ny fampianarana eny amin’ny anjerimanontolo manerana ny Nosy, etsy andaniny anefa ireo mpampianatra mampitsahatra ny fampianarana. « Ho simbaina amin’ny resaka politika ve ny fampianarana ? » hoy i Anja, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. « Tsy mba mihevitra ny hoavin’ny mpianatra na ireo mpampianatra na ireo tompon’andraikitra eo amin’ny fanjakana, tsy tsapan’izy ireo fa ny fiainan-ko avin’ireo tanora no lasibatra manoloana izao fitsaharan’ny fampianarana izao » hoy i Tiana, raim-pianakaviana. « Hiverina hilanja sora-baventy eny amin’ny toeram-pianarana indray izahay manomboka ny alatsinainy ho avy izao. Efa nandefitra tamin’ny fanohizana ny asa izahay saingy tsy norarahin’ireo tompon’andraikitra ny fitakianay ka noho izany hiverina amin’ny fitokonana izahay » hoy ny mampianatra mpikaroka.
« Tsy anjaranay avy ety amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa intsony no mizara ny karaman’ny mpiasa sy ny vatsim-pianarana. Efa tafiditra any amin’ny kitapom-bolan’ny Minisiteran’ny fitatanam-bola izany, ka niandry ny hamohahan’izy ireo ny vola » hoy i Elia Béatrice Assoumacou, Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
« Fampianarana ho an’ny rehetra », izay no voarakitra ao antin’ny velirano fahaefatra napetrakin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tsy hita anefa hatramin’izao izay fandraisana andraikitr’ireo Minisitera isan-tsokajiny manoloana izao grevy lavareny izao, tsy hita ihany koa ny finiavany hanatanteraka ny vina napetrany. Manampy ny firenena iady amin’ny fahatrana anefa ny fampiroboroboana ny fampianarana saingy tsy laharampahamehana amin’ny fanjakana Malagasy izany amin’izao fotoana. Fotodrafitr’asa manara-penitra mandrakariva no eo ambavan’ny mpitondra fa tsy ireo vahaolana manoloana ny fitakian’ny mponina. Iza intsony izany no andrasana hitondra vahaolana raha toa ka minia mikipy ny mpitondra, izay lehiben’ny fitantanana ?
Haingotiana Andriamihaja
