ActualitésTsidika

Toe-tsaina ho an’ny fahombiazana : Tsy ny olona rehetra akory no tafita saingy afaka ny ho tafita ny olona rehetra

Matetika kivy sy ketraka ny olona sasany rehefa tojo tsy fahombiazana eo amin’ny fiainana. Tsy tokony ho olana anefa izany satria lalam-piainana daholo ny toy izany kanefa kosa tsy azo mora foana ny fahombiazana fa mila ezaka avy amin’ny tsirairay. Misy ny olona tafita sy lasa lavitra satria nahafehy ny fitondran-tena sy toe-tsainan’ny mpandresy izy. Inona avy izany ? Voalohany, matoa ny olona tafita dia fantany ny tanjony, nanana tanjona nazava izy nanoritany ny hoaviny ary tiany ilay izy. Rehefa fantatra ny tanjona dia mila dinihana ny hoe « inona no iainako amin’izao ? Inona no anananako amin’izao ? » Miainga amin’izay no ahafantarana izay tokony ho atao hahatratrarana ilay tanjona.

Faharoa, manana fisainana mihabo foana ny olona tafita. Tsy mijery izay mety tsy ho fahombiazana izy fa an-tsainy foana ny hoe « Tsy maintsy vitako ity ». Tsy tokony hieritreritra zavatra tsy mahasoa izany na ihany koa manao zavatra tsy mitondra soa sy fahombiazana toy ny ariary zato am-pandriana sy ny revin-gandra ary ny fosafosa sy ny fitsikerana ny hafa. Mila atao an-tsaina fa lesona hanitsiana ny dia manaraka ny tsy fahombiazana rehetra mba hahatongavana amin’ny tsaratsara kokoa hatrany.

Fahatelo, ny tsy fahatokisan-tena dia miteraka tsy fahombiazana foana satria ny tena aza tsy ananana fahatokisana ka ahoana no hidiran’ny fahombiazana ? Ilaina noho izany ny fahatokisan-tena ka miainga amin’ny famantarana ny tena izany, iza isika ? Inona ny toetra tsara na ratsy ao amintsika ? Ka ny toetra tsara no atao fitaovana hanatratrarana ny tanjona.

Fahefatra, raha ananana avokoa ireo efa voalaza dia tsy ampy izany fa mila ezaka avy amintsika ny fahombiazantsika, raha tsy misy ihany koa aza ny ezaka dia tsy hananana mihitsy ireo teo-tsaina eo ambony ireo isika. Matoa tsy mahomby ny olona iray dia tsy ampy ny ezaka nataony ka mila ampiana izany. Tsy natao hahakivy ny tsy fahombiazana fa natao hampiezaka.

Fahadimy, ilaina tokoa ny faharetana eo anatrehan’ny fahombiazana. Andrana voalohany miampy ny tsy fahombiazana no mahatonga ny olona hamerina ny andrana faharoa miampy ezaka ary tohizana amin’ny andrana fahatelo sy ny hafa ka tsy mijanona raha tsy tratra ny tanjona. Ireny dingana nolalovana talohan’ny fandresena ireny aza no tena zava-dehibe sy mitoetra mandrakizay satria traikefa avokoa no omeny. Tsy tokony hiasa eo ambony fotoana raha te hahomby fa kosa hiasa eo ambonin’ny tanjona. Tsy ny fotoana lany no zava-dehibe fa ilay tanjona tratra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire