Etats-Unis : Geronimo, anaran’ny mpitolon’ny foko Apache lasa hiaka
Anisany ireo nampihorohoro an’i Mexique sy Etats-Unis ny mpitolon’ny foko Apache. Anisan’ireo nahery fo indrindra tamin’izany i Geronimo.
Teraka ny 16 jona 1829 tao amin’ny foko Apache Bedonkohe akaikin’ny Turkey Creek izy ary maty ny 17 febroary 1909 tao Fort Sill. Go Khla Yeh no tena anarany, nomena ny anaram-bositra hoe Guu Ji Ya (ilay marani-tsaina) ihany koa nefa izy.
Anisan’ireo mpandray anjara lehibe tamin’ny ady Apache i Geronimo ary nitolona ho an’ny zon’ny Amérindiens manoloana an’i Mexique sy Amérique talohan’ny nitolorany tena tamin’ny taona 1886.
Ny taona 1944 no lasa hiakan’ny « parachutiste » tao Amérique io anarany io ary natao hafatra miafina nandritra ny fampahafantarana ny Maison Blanche fa nombohana i Osama Bin Laden (« Geronimo, ennemi tué au combat »).
