Dépêches

Solika : 550 000 tapitrisa ariary ny trosan’ny Malagasy amin’ny vondrona mpamatsy solika

13 Jolay, 12h 00 « Tafiakatra 550 000 tapitrisa ariary ny trosan’ny Malagasy amin’ny Vondrona mpamatsy solika nanomboka ny janoary 2022 hatramin’ny fiandohan’ny volana jolay », hoy ny talen’ny kabinetra ao amin’ny fiadidiana, Raharinirina Baomiavotse Vahinala, nandritra ny fanazavany ny antony tsy maintsy nampiakarana ny vidin-tsolika. 

« Mampibaby trosa goavana antsika sy ny toekarentsika ny tsy fampiakarana, tombanana ho 1200 miliara ariary ny trosa amin’ny faran’ny taona raha tsy nampiakatra isika », hoy izy. Io tetibola  1 200 000 tapitrisa ariary io no tetibolan’ny ministera 30 anatin’ny herintaona, na ilay antsoina hoe PIP (Programme d’investissement Public).

Laisser un commentaire