Cosafa CUP 2022 : Lavo tamin’ny isa isa roa no aotra i Madagasikara
13 Jolay, 12h 30 Tontosa omaly talata 12 jolay 2022 ny lalao am-pahefa-dàlana ho an’ny fifanintsanana Cosafa CUP 2022, taranja baolina kitra. Nifandona tamin’i Namibie i Madagasikara nandritra izany ary lavo tamin’ny roa no aotra. Mifarana hatreo ny lalao am-pahefa-dalana Cosafa CUP 2022 ho an’ny Barea zandriny.
