ActualitésTsidika

Ambohimangakely Ambohimahitsy : Sady very entana no mbola nidoboka am-ponja indray noho ny tsy fanarahan-dalàna

Niakatra fampanoavana ilay savorovoro teny Ambohimahitsy Ambohimangakely ka fantatra fa nidoboka am-ponja vonijamika ireo olona roa tompon’ny trano noho ny fisamborana olona tsy ara-dalàna. Ireo ankizy kosa dia nalefa teny amin’ny toby fanarenana ankizy eny Anjanamasina sy Bevalala amin’ny maha mbola tsy ampy taona azy.

« Zon’ny mpangalatra mihitsy ny miaro tena manoloana ny fisamborana tsy fantatry ny mpitandro filaminana akory ka rariny raha tezitra avy hatrany ny mponina ary nihevitra fa mpangalatra ireo mpivady nanao zaza tao anaty «malle arrière» an’ilay fiara tsimataho-dalana » hoy i Rota, mpahay lalàna. « Fahadisoan’ireto nisambotra ny tsy fampandrenesana ny zandary na ny polisy fa tonga dia nikaroka ireo naman’ilay tovolahikely hafa nolazain’ity ity. Avelao izahay mpitandro filaminana no hanao ny asa fa aza maka ny anjara saany tahaka izany mba hisorohana ny toy izao, izao izy ireo sady very fananana kanefa tsy maintsy miditra am-ponja ihany » hoy ny Sekretera jeneraly miadidy ny Zandarimariam-pirenena. « Niteraka korontana sy fanakanan-dàlana teny Ambohimahitsy ny raharaha ny takariva, tokony omena sazy ambonin’izay mihitsy ireto olona ireto fa sady nanakorontana ny firenena sy ny filaminam-bahoaka mihitsy toy ireny mpitarika ny fitokonana migadra ireny satria nanakorotana » hoy i Aimé, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.

Samy nomena andraikitra avokoa ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena ka aoka ny vahoaka hipetraka amin’ny maha vahoaka arovana azy ary ny mpitandro filaminana no hipetraka amin’ny maha mpiaro ny vahoaka azy. Hanao ahoana ny tohin’ny raharaha ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire