ActualitésTatitra

Zambie : Zambèze, renirano fahaefatra lava indrindra

Ny « Zambèze » dia renirano fahaefatra lava indrindra aty amin’ny kaontinantan’i Afrique aorian’ny Nil, Congo ary Niger. Mirefy 2 750 kilometatra izy io izay miainga ao Zambie, manadalo kely an’i Angola ary miverina ao Zambie. Io renirano io no mamaritra ny sisin-tanin’i Zambie amin’i Namibie. Mandalo an’i Botswana, Zimbabwe ary Mozambique ihany koa izy alohan’ny hivarianany ao amin’ny ranomasimbe indianina.

Mirefy 1 330 000 km² ny tavin-dranon’ny « Zambèze ». Ny orana amin’ny Novambra sy Martsa no tena mamelona azy. Miadana ny fikoriany izay 2 000 ka hatramin’ny 3 000 m3/s. Nahatratra 32 800 m3/s kosa nefa izany ny volana febroary taona 1956.

Laisser un commentaire