Faritra atsimo: Mandrisika ny mpitondram-panjakana ny BNGRC hanao famotorana manoloana ny fanodikodinana ny fanampiana ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo
Mandrisika ny fanjakana hanatanteraka ny fandihadiana mikasika ny fanodikodinana ireo fanampiana tokony ho sitrahan’ny vahoaka misedra tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara ny Tale jeneralin’ny BNGRC (Bureau national de gestion des risques et des catastrophes).
Raha ny loharanom-baovao dia misy amin’ireo fanampiana natokana ho an’ireo mponina ireo no tsy tonga any amin’izy ireo ary mivadika ho tombotsoan’olom-bitsy. Ny fanampiana nefa raha ny fanazavana dia tsy natao ahavita ny taona akory fa fanamaivanana ny olana ara-tsakafo misy any an-toerana fotsiny ihany saingy mbola tsy voatsinjara ara-drariny sy araka ny tokony ho izy indray.
“ Tsy ekena ny fanararaotana ny voina manjo ny mpiray firenena amin’ny tena, sokajiana ho fanararaotana sy fisolokiana ary fangalarana izany fihetsika izany. Mangataka sy mandrisika ny tompon’andraikim-panjakana voakasik’izany toe-javatra izany hanatanteraka ny fanadiadiana ary handray ny fepetra mendrika sy entitra ihany koa” hoy ny BNGRC.
“Mahatsikaritra zavatra tsy ara-dalana izahay rehefa tonga ny fotoana fizarana fanampiana ho an’ny vahoaka. Misy fitantanana tsy madio saingy tsy hananay porofo no tsy hitanay mivantana. Efa miezaka ihany manao tatitra sy mampahafantatra amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny fa misy ny tsy fangaraharana” hoy ny mponina iray tao an-toerana.
Fihetsika mifono fitiavan-tena tokoa ny fanararaotana ny mpiray tanindrazana amin’ny tena tahaka izany. Manamafy izany fihetsika izany fa efa niala lavitra ny fihavanana sy ny fifampitsimbinana ny Malagasy.
Miranto Andrih
