Ankadikely Ilafy : Vita ny asa fanavaozana ny tokotanin’ny CEG Ankadikely
Vita soa aman-tsara, ny faran’ny herinandro teo ny fanamboarana sy fanatsarana ny tokontanin’ny CEG Ankadikely, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Navadika ho béton ny tokotanin’ny sekoly, ka tsy ho sahirana amin’ny vovoka intsony ireo mpianatra, araka ny voalaza.
« Noho ny fiara-miasa sy ny fiaraha-mientana teo amin’ireo tompon’andraikitra eto amin’ny CEG Ankadikely sy ny FEFFI ary ny fiadidian’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy dia vita soa aman-tsara ny fanamboarana ho simenitra (Béton) ny tokontan’ny sekoly. Natao izao ezaka izao ho fiarovana ireo mpianatra amin’ny vovoka sy ho fanomezana endrika mahafinaritra ho an’ny sekoly » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Tena tsara tokoa ny asa fanavaozana eto amin’ny sekoly. Hisaorana ny tomponandraikitra nahatontosa izany asa izany satria tsy mijaly sy miosona amin’ny vovoka intsony ireo mpianatra. Mba araka ny fenitra soa aman-tsara. Ny fahavaratra ihany koa efa ho avy ka tsy hamotaka sy be rano intsony ny tokontanin-tsekoly » hoy i Nary, ray amandrenin’ny mpianatra.
Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny fifanomezan-tanana sy ny fifanohanana na ara-materialy na ara-pitaovana amin’ny asa tahaka izao. Ny sekoly izay fitaratra amin’ny fandrosoana, ka raha manaraka ny fenitra sy ny filàn’ny mpianatra izany dia tonga ho azy ny fivoarana. Nandritra ny fotoam-pialantsasatra teo moa no namitan’ireo tomponandraikitra ny asa.
Manitra R.
