Kolontsaina: Ny niandohan’ny “Tsena” araka ny tantara
Talohan’ny nanjakan’Andrianampoinimerina dia »fihaonana » no anaran’ny tsena, famarinana babo sy fivarotana basy sy vanja.
Nony nanorina ny tsena Andrianampoinimerina dia nikabary tao Amboara izy, tao Ambatorangotina no nokasainy hamoriam-bahoaka fa tsy malalaka loatra ny toerana ka dia tao Amboara indray no nanaovana azy: »Tsy ataoko fihaonana intsony fa fihaonana ratsy no nataonareo taloha, fa ataoko tsena kosa ny anarany »… »ka izao no ananganako ny tsena, atao fivelomana. Ka raha vao velomina ny tsena dia atao mora ny zavatra amidy… »
Dia fito ny tsena naorina voalohany, ny Alahadin’Ilanifasina: tsenan’ny Andrianteloray io, Alatsinain’Andranovintana: iombonan’ny Tsimahafotsy sy ny Marovatana izy io, Talatan’i Volonondry: an’ny Tsimahafotsy sy Mandiavato , Alarobia atsinanan’i Namehana, Alakamisin’Ambohimanga: an’ny Tsimahafotsy, Zoma tao Fiadanana, an’ny Voromahery (Radama I no namindra azy tao Anjoma), Sabotsin’Ambato, tsenan’ny Anativolo io.
Fa tamin’ny androny ihany koa dia natao tsena ho an’ny andavanandro Ambatorangotina. Eo andrefan’ilay vato no natao fivarotan-kena sy zavatra hafa. Fa nofoanan-dRanavalona I izany nony nanjaka izy ary nafindrany tany Ambatomitsangana sy Andakana.
Manitra R.
