ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Misokatra eny amin’ny biraom-pokontany ny fisoratana anarana amin’ny hetsika didim-poitra faobe

hisy ny hetsika didim-poitra faobe, maimaim-poana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Efa azon’ireo olona liana amin’izany hetsika izany atao, ny misoratra anarana eny amin’ireo biraon’ny fokontany, araka ny voalaza.

“Efa misokatra eny anivon’ny fokontany tsirairay ny fisoratana anarana amin’ny didim-poitra faobe, izay atao ny sabotsy 1 Jona 2024 , eo amin’ny CEG Ambohimangakely. Akotran’ny hasoavan-jaza anefa , dia mbola hisy ihany koa hetsika Maimaimpoana toy ny échographie sy ny fitiliana diabeta” hoy ny avy amin’ny kaominina.

“Hetsika tena ilain’ny mponina amin’izao fotoana izao ny hetsika ara-tsosialy sy ara-pahasalamana tahaka izao. Manamaivana ny fahasahirana tokoa izany ary mamporisika ny olona amin’ny fitsaboan-tena ho antoky ny fahasalamana » hoy i Hoby, mponina ao Ambohimangakely.

Marihina moa, fa ho an’ny fanaovana didim-poitra faobe, dia tsy maintsy atao ny misoratra anarara. Tsy misy fisoratana kosa ho an’ny fitiliana diabeta sy ny échographie.

Laisser un commentaire