Pasipaoro : Hanao tolo-bidy amin’ny fanamboarana izany ny fanjakana Malagasy
Hiroso amin’ny fanaovana tolo-bidy iraisam-pirenena hanamboarana ny pasipaorom-pirenena ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Ilaina tokoa ny pasipaoro rehefa hiampita sisintany, izay ampiarahana amin’ny Visa.
« Tapitra amin’ny taona 2023 ny fifanaraham-piarahamiasa naharitra 10 taona nataon’ny fanjakana Malagasy tamin’ny orinasa vahiny Semlex Europe S.A. Izy ireo no nahazo ny tsenan’asam-panjakana taloha nanamboatra ny pasipaoro malagasy » hoy ny tatitry ny filan-kevitry ny Ministra. « Tamin’ny taona 2006 no natao io fifanaraham-piarahamiasa io, naharitra 9 taona izany tany am-piandohana. Nohitarina 10 taona fanampiny indray ny taona 2013, izay nirosoana rahateo tamin’ny fanaovana ny pasipaoro elektronika ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.
Tsy maintsy hirosoana noho izany ny fanaovana ity tolo-bidy vaovao ity hijerena izay orinasa vaovao hanamboatra azy indray manomboka ny taona 2023.
Nicole Rafalimananjara
