ActualitésTsidika

Tratra ireo naka an-keriny ilay tovolahy varira

Tovolahy miisa 14 no naka an-keriny ity tovolahy « varira » na « bobo ». Tafaverina soa aman-tsara eo amin’ny fianakaviany ao amin’ny fokontany Beraketa Malio kaominina ambanivohitra Andohan’Ilakaka ilay tovolahy ankehitriny.

Raha tsiahivina dia ny alin’ny faha-enina ny volana septambra lasa teo no nisy an-keriny ny tovolahy « varira » na « bobo » iray, tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina, ary tsy nahenoam-baovao intsony.

Tao aorian’ny fandraisana andraikitry ny fokon’olona sy ny zandarmaria ao an-toerana anefa dia tratra ireo olon-dratsy. « Nanao ny fanarahan-dia izahay ary rehefa tonga tao amin’ny faritra antsinanan’Ilakaka dia very tsy hita ny dian’izy ireo, saingy hita tanaty lava-bato iray kosa ilay varira ka dia niroso tamin’ny famotorana izahay » hoy i Isabay Patrick manam-pahefana ao amin’ny zandarmaria ao an-toerana.

« Ny roa tamin’ireo naka an-keriny dia olona mpiray vody rindrina aminay ihany, basy roa ihany koa no tratra niaraka tamin’izy ireo ny androtr’io, ary mbola misy basy roa hafa karohina » hoy i Mena, mponina any an-toerana.

« Ny fanikilihana ireo ankizy manana kilema toy ireny ihany koa matetika no mahatonga ny fanararaotana azy, isaorana kosa anefa ny fiasan’ireo zandary mba nahavotra soa aman-tsara io zazalahy io » hoy i Tendry, mpiaro ny zon’ny olona manan-kilema.

Tokony hitandrina ihany koa ireo fianakaviana sy Ray aman-dReny ny amin’ny fanaraha-maso ny zanaka mba tsy hisian’ny tranga mamapalahelo sy fanararaotana tahak’izao.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire