SocialTsidika

Ady atao amin’ny covid 19 : mitohy hatrany fanaovam-baksiny

Mitohy hatrany ny ady ataon’ny eo amin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fanafoanana tanteraka ny mety fiparitahan’ny valan’aretina. Misy noho izany ny ny fanaovam-baksiny izay tanterahina eny amin’ny hopitalim-panjakana HJRB Befelatanana sy eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra. Misy hatrany ny fisoratana anarana ho an’ireo liana amin’ny vaksiny « Johnson&Johnson” izay atao amin’ny tranokalan’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, sy eny anivon’ireo tobim-pitsaboana manerana ny nosy.

Misy ny fandaminana natao manoloana izany ka ny tapak’andro maraina no mandray ireo olona ho atao vaksiny ny eny amin’ny hopitalim-panjakana HJRB Befelatanana raha toa ka ny tapak’andro ariva no hanatanterahan’ireo tobim-pitsaboana fototra (CSB). Vaksiny tsindrona faharoa amin’ny Covishield no ho tanterahina ho an’ireo olona izay efa nahavita ny tsindrona voalohany, volana vitsy lasa izay. Marihina fa ireo marefo, mpianatra, diplomaty sy ireo mpisahana eo amin’ny fahasalamana no laharam-pahamehana ankehitriny.

Maro ireo Malagasy nanapa-kevitra hanatona tobim-pahasalamana hanatanteraka ny vaksiny raha ny hita ankehitriny. « Anisan’ny mifanerasera amin’ny olona maro izahay mpianatra koa rariny raha toa ka misitraka vaksiny fiarovana amin’ny aretina » hoy i Solo, mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony. « Azo lazaina ho misy tombo sy ala ihany ny fanaovam-baskiny eto amin-tsika, samy mety hotratran’ny aretina daholo ny olon-drehetra saingy tsy mbola hita hatramin’izao ny fandaharam-potoana amin’ny fanaovam-baksiny faobe, izany hoe ho an’ny daholobe » hoy i Fanjava. « Miroso amin’ny ambaratongany avokoa ny fandaminana eto amin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, misy ny lamina tsy maintsy arahina noho izany » hoy i Sanda, tompon’andraikitra eo amin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. « Tohizana mandrakariva ny fitandremana, eny fa na ho an’ireo olona vita vaksiny. Mampitombo ny hery fiarovana izay efa misy ao anatin’ny olona iray ny vaksiny fa tsy misakana ny mety hidiran’ny valan’aretina ao aminy. Manentana ny rehetra noho izany hanatanteraka ny vaksiny sy hanohy hatrany fanajana ny fihetsika sakana iarovana amin’ny » hoy i Dr Odette.

Zo feno ananan’ny vahoaka ny hisitraka fahasalamana mendrika sy maimaimpoana noho izy ireo manana anjara-toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena. Fanampin’izany, tanjaka ho an’ny firenena iray ny fananana vahoaka salama. Tsy mbola nisy teo amin’ny tantara hatramin’izay ny hoe firenena mandroso saingy ireo mponina ao aminy miaina anaty aretina. Azo antenaina ve ny hisitrahan’ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo ny vaksiny ho fiarovana azy ireo amin’ny aretina ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire