Kolontsaina : Miavaka amin’ny fahaizany mozika sy ny fitendrena angorodao i Lego
Teraka tamin’ny taona 1973 tany Antsiranana (Diego Suarez), avaratr’i Madagasikara, ny mpanoratra, mpamoron-kira sady mpihira, Andriamandresy Hasivelo Roméo fantatra amin’ny anarana hoe “Lego”. Solon’anarana entiny amin’ny maha mpanakanto azy, izay nahabotrabotra azy fahakeliny ny hoe « Legros ». Avy amin’ny foko Sakalava i Lego fa tany amin’ny faritry Toliara sy Vangaindrano no toerana nahalehibe azy. Mpanakanto anisan’ny reharehan’i Madagasikara i Lego amin’ny fahaizany mozika sy mitendry Angorodao (accordion). Ny fitendrena izany moa dia karazana lova na fahaizana nolovainy tamin’ny dadany sy ny dadatoany, satria nanao izany izy ireo teo aloha. Fony kely i Lego dia efa nanomboka nitendry sy nilalao ny angorodao. Izy moa no faralahy amin’ireo zanaky ny ray aman-dreniny.
Ny taona 1989 no nifindra teto Antananarivo i Lego, ary teto no nananganany ny tarika voalohany. Tamin’ny faran’ny taona 90, isaky ny alahady, dia manolotra seho ho an’ny daholo be niaraka tamin’ny tarikany izy, tao amin’ny toeram-pisakafoanana le Grill du Rova, eny akaikin’ny rova eny. Niandry ny taona 1999 anefa vao afaka naheno ny hirany voalohany ireo mpakafy azy. Anisan’ny rakikira nivoaka tamin’izany : Dadilahy, arahin’i Madagasikara (2001) sy Jobyhely (2003), ny rakikira misy gadona “bahoejy”, ity farany moa dia gadona sy dihy avy any avaratra sy avaratra andrefan’i Madagasikara ; ary ny salegy, izay tena nahafantarana azy sy nitondra ny lazany manerana ny nosy sy eran’izao tontolo izao.
