ActualitésTsidika

Alasora : Mitohy ny asa fanamboaran-dalana

Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana ao amin’ny kaominina Alasora amin’izao fotoana izao. Lalana miakatra mankao amin’ny tampon’Alasora indray no nanohizana ny fanamboarana sy fanatsarana ny faran’ny herinandro teo.

« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ny asa fanamboarana ireo lalana izay misy fahasimbana. Hitohy hatrany izany asa izany ho tombotsoan’ny rehetra » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Tena ilaina be ny fanamboaran-dalana tahaka izao. Maro be ireo lalana simba, indrindra taorian’ny fahavaratra iny ka tokony jerena hatreny ifotony. Maro ireo lalana simba makeny amin’ireo fokontany » hoy i Felana, mponina ao Alasora.

Maro ireo lalana simba ka mila fanamboarana, izay mampitaraina ny mponina ao Alasora. anisan’izany ny lalana mankao Ambodivoara, Ampangabe Anganomasina, Ambohitanety, Ambohimarina sy ny maro hafa.

Laisser un commentaire