ActualitésTsidika

Mitaky ny hampiarana ny lalàna ireto fianakaviana niaran’ny fangalarana omby tao Soahazo, Toliara

Indroa mian-taona ireto fianakaviana no notafihin’ny jiolahy ka lasany vokatr’izany ny omby. Efa tratran’ny zandary tany an-toerana ireto jiolahy sy ny ekipany saingy mbola tafatsoaka ihany. Omby miisa 31 no lasan’ireo nahavanon-doza nandritra ny fandrobana voalohany raha toa kosa ka 15 izany ny tamin’ny fanafihana faharoa.Tsihahivina fa efa niakatra kabary dinabe ireto jiolahy tamin’ny fanrobana voalohany nataony ka tokony hanefa ny honitra amin’ireo tompon’ny omby saingy ampahany amin’izany ihany no voalohany dia izao nandroba izao indray ireto jiolahy. Nametraka fitoriana noho izany fianakaviana mahakasika ny fangalarana omby sy ny tsy mbola fandoavana ny honitra.Anisan’ny faritra mbola mitàna ny lanjan’ny fanana omby ny faritra ao Toliary. Mifono fahendrena maro izany amin’ny kolontsaina izay mampiavaka azy, amin’ny fotoana sarobidy sy mila fanamarinana makotroka ihany ireo mponina any no mamono omby. Na ankaratsiana na ampifaliana dia tsy maintsy mamono omby ka eo no ahitana ny sy hahafantarana ny kilasy sosialy misy ny fianakaviana iray. »Mitaky ny hampiarana ny lalàna amin’ireo mpangalatra izahay fa efa mpamerina heloka loatra, ho foana tanteraka ny harenanay raha toa ka mbola avela hiriharia eny foana ny mpanao ratsy » hoy i Maeva Gisèle, mponina voaroba ao Soahazo. « Mangataka amin’ny Minisitry ny fitsarana izay hanatanteraka ny toky nomeny manoloana izao olanay izao, miandry ny fampiarana ny fitsarana ara-drariny izahay, raha sanatria mitanila ny fitsarana dia hifotra aty aminay indray ny tebiteby satri efa nandrahona anay ilay jiolahy » hoy i Honoré, mponina ao Soahazo. « Mbola anisan’ny faritra manaja ny dinam-pokolona izahay aty Toliara, koa izany no mbola tsy nitondranay ny taratasy fitoriana teny amin’ny manam-pahefana, saingy efa matetika loatra koa aleho hanao ny asany amin’izao ny zandary sy ny polisy » hoy ny iray amin’ireo Olobe ao Toliara. Tsapa fa tsy ho foana eto amin’ny firenena mihitsy ny tranga tsy fandriam-pahalemana. Anisan’izany ny asan-jiolahy sy ny fangalarana omby.Tafiditra anaty veliranon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny hampanjakany ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Mijanonana ho vinavina fotsiny ihany anefa izay fa toa tsy mbola tsikaritra hatramin’izao ny fampiharana raha atao ny tombana, tao vao maika mampirongatra indray ny tsy fandriam-pahalemana aza izany.Azo antenaina ve ny hahafaona tanteraka ny asan-jiolahy izay miteraka tsy fanriam-pahalemana, indrindra ny amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire