ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nandray anjara tamin’ny fambolen-kazo teny amin’ny kaominina Talata Volonondry

Notanterahana ny zoma 10 martsa teo, tao amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina Talata Vonolondry ny fambolen-kazo hoan’ny taona 2023. Nandray anjara tamin’izany ny fiadidian’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ireo mpiara-miasa aminy, araka ny voalaza.

« Tanjona hatrany amin’ny fanatanterahana ny fambolen-kazo tahaka izao ny fandraisana anjara mavitrika hamerenana indray an’i  Madagasikara ho loko maitso, rakotr’ala ao anatin’ny loha-hevitra napetraky ny fitondram-panjakana » hoy ny avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

 » Zava-dehibe ary adidy amin’ny tanindrazana ny fambolen-kazo ka dia hisaorana ny fiadidiana ny kaominina Talata Volonondry amin’ny fikarakarana sy ny fandraisana tao an-toerana, izay nampisy fiaraha-mientana sy firaisan-kina nandritra izany fotoana izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Izay mamboly hazo mamelona aina, izay mamboly hazo mamelona an’i Madagasikara, izay no ventin-kevira novoizina nandritra ity fotoana ity teny an-toerana. Ao anatin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny filoham-pirenena ihany koa izao hetsika izao, raha ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire