Ambohimangakely : Voasambotra ireo mpanendaka
Enin-dahy no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny brigady Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo. Tambajotran-jiolahy, mpanao fanafihana sy fanendahana ao amin’ny kaominina ireto farany, raha ny voalaza. Mpitondra fiangonana voaendaka ary noratraina no niandohan’ny fanadihadiana nahafahana nisambotra azy ireo.
“Nisy vokany ny fikarohana satria ny 14 jolay 2023 vao maraina dia tratra teo amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka, Manambina Ambohimangakely, ny lehilahy iray anisan’ny ao anatin’ity fikambanana andian-jiolahy ity rehefa nampiahiahy ny kaomandin’ny brigadin’Ambohimangakely ny fihetsiny” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“Mbola tratra teny aminy ireo entana norobainy, azony nandritra ny nanaovany ny asa ratsiny. Niaiky avy hatrany ity tovolahy ity ny amin’ireo asa ratsy izay nataony. Ankoatra izay, efa nandray anjara tamin’ny fanendahana fiinday avo lenta tao amin’ny toeram-pisotroana ihany koa izy ity. Notononiny sy natorony ihany koa ny misy ireo namany rehetra ka nitohy ny fisamborana” hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa fa fampitam-baovao avy amin’ny olona tsotra, nahita ny trangana fanendahana ilay mpitondra fiangonana no nahafahana nahita izao vokatra izao. Mbola manentana hatrany ny tsirairay araka izany ny mpitandro filaminana ho sahy mitoroka sy handray andraikitra.
Manitra R.
