ActualitésTatitra

Chine: Vehivavy mpampianatra iray no nohelohina ho faty

Mpampianatry ny garabola iray no nanampoizina zaza mahery ny 20 tao Chine efa-taona lasa izao. Raha tsiahivina dia nasian’io mpampianatra 39 taona antsoina hoe Wang Yun io « nitrite de sodium » ny sakafon’ireo mpianany noho ny fifandirana teo aminy sy ny mpampianatra iray hafa. Manoloana izany dia ankizy iray no namoy ny ainy.

Nangataka fanalefan-keloka io vehivavy io saingy ny volana septambra 2020 dia nanambara tribonaly tao Henan fa ho helohina ho faty ny tenany ary efa tontosa ny herinandro lasa teo izany. Marihana fa efa nanampoizina ny vadiny tamin’io « nitrite de sodium » io ihany koa io mpampianatra io saingy avotra soa aman-tsara ilay lehilahy.

Laisser un commentaire