Seychelles: Handalo ao an-toerana ilay sambom-boky lehibe indrindra eran-tany
Maro ny tranom-boky saingy misy ihany koa ny sambom-boky. Ny Logos Hope no lehibe indrindra amin’izany izay novolavolain’ny orinasa ao Allemagne Gute Bücher für Alle tamin’ny taona 1970. Olona 49 tapitrisa nitsinjara tamin’ny firenena 150 sy seranan-tsambo 480 isa kosa no efa nisitraka ny tolotr’io sambom-boky io.
Ny 10 hatramin’ny 17 aogositra izao kosa dia handalo ao amin’ny nosy Seychelles io sambo io. Hiala ao Oman ny alarobia izao izany, hiazo ny nosy ary hanoy ny diany ao amin’ny seranan-tsambo ao Mombassa ao Kenya. Marihana fa mpilatsaka an-tsitrapo 350 isa avy amin’ny firenena 65 samihafa no mandrafitra ny mpiasan’io sambo io.
