Gaza : Mizaka ny mafy vokatry ny ady ireo vehivavy bevohoka
Anisan’ny lasibatra vokatry ny ady misy ao Gaza ihany koa amin’izao fotoana izao reo vehivavy bevohoka. Hatramin’ny fotoana nanombohan’ny ady, tao anatin’ny dimy volana teo izao, manodidina ny roa arivo sy dimy alina eo ireo vehivavy mitondra vohoka, lasibatry ny ady, raha ny voalazan’ny vondroan iraisam-pirenena momba ny fahasalamana. Ankoatra ny tsy fisian’ny trano fiterahana, manampy trotraka ny fiterahan’ireo vehivavy ny tsy fisian’ny jiro, ao anatin’ireny « tente » ireny ihany koa no handraisan’izy ireo ny zanany. Misy amin’ireo vehivavy no manano sarotra eo am-piterahana, mila fandidiana kanefa tsy misy ny dokotera na ny mpampiteraka mandray azy ireo. Ankoatra izay, olana iainan’ny rehetra ny tsy fahampian’ny sakafo. Raha ny zava-misy any an-toerana moa, hopitaly 12 amin’ireo 36 ao Gaza no mandray marary. Tsy ampy handraisana ny marary sy ny mpiteraka any an-toerana ireo noho fahabetsahan’ny olona mila fitsaboana sy ny fahampian’ny fitaovana sy ny toerana handraisana ireo marary, vokatry ny ady misy any an-toerana hatrany.
