Maurice : People’s Power, antoko politika vaovao ao amin’ny nosy
Tontosa ny alahady teo tao Quatre-Bornes ny fanokanana ny antoko politika vaovao People’s Power. Ny tsy fampandehanan-draharahan’ny andrim-panjakana ao amin’ny nosy no antony nananganana izany raha ny fanazavana.
Misahana ny « alternance » politika io antoko vaovao io. Efa misy mpikambana mavitrika 22 ao amin’izany ary olona maherin’ny 200 no nanatevin-daharana azy. Efa hatramin’ny taona 2019 no nisy ny antony saingy voafetra noho ny valan’aretina Covid-19 ny hetsiny raha ny nambaran’ny filohan’izany, Sahil Cheetamun.
Nilaza ity farany fa maniry ny hitondra ny fanaovana izay irian’ny vahoaka izy ireo ary hametraka fitsapan-kevi-bahoaka ihany koa ka handrava ireo andrim-panjakana. Raha ny nambarany dia tsy ny tenany no hilatsaka ho praiminisitra na filoha fa alohan’ny faran’ny taona dia hanao fifidianana anatiny ny antoko.
