Fitaterana an-dalamby : Ny fetin’ny paska no hanamarihana ny fiverenan’ny fitaterana amin’ny zotra FCE
Taorian’ny fikatonana lavareny izay nampimenomenona ny oloan dia hiverina hisokatra indray ny zotra an-dalamby FCE; Ny alatsinain’ny paska izao no hanamarihana izany fiverenany amin’ny asany izany indray. Hisy ny fiara an-dalamby hampihazo an’ny Fianarantsoa amin’ny Sahambavy amin’io alatsinain’ny Paska io.
“Fiaran-dalamby miisa roa no kasaina hitondra mpitsangatsangana ho any Sahambavy amin’io fetin’ny alatsinain’ny paska io. Sady fanomezana fahafaham-po ireo mpitsangatsangana no fanamarihana ny fiverenan’ny zotra FCE amin’ny asany indray ity tolotra miavaka kely ity”, hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Fitantanana ny zotra FCE.
Hanainga amin’ny 8ora sy amin’ny 10ora avy eo Fianarantsoa ireo fiaran-dalamby roa ireo raha vinavinaina ho amin’ny 3ora tolak’andro sy amin’ny 5ora hariva kosa no hitodi-doha hiverina avy any Sahambavy.
Amin’izao fotoana izao dia efa anatin’ny fanamboarana ireo simba rehetra amin’ny lalam-by iny ny tompon’andraikitra amin’izany. “Laharam-pahamehana ny famerenana ny fifamoivoizana amin’ity zotra ity haingana araka izay azo atao. Efa any Manampatrana ireo fiara fitsikilovana ny simba raha toa ka efa mandeha amin’ny antsakany ny fikojakojana sy fanadiovana ny lalamby ataon’ireo kaominina handalovan’ny zotra”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro.
Raha tsiahivina dia efa voapetraka ireo tompon’andraikitra vaovao amin’ny fitantanana ity zotra ity ahafahana miditra haingana amin’ny fanarenana sy amin’ny asan’izany zotra izany. Ny fahavitan’izany fanarenana izany ihany koa dia mitaky fikojana ho an’ireo mpisehatra rehetra amin’iny faritra iny.
Miora Raharisolo
