Fizahan-tany: Mampiroborobo ny eny amin’ny tontolo ambany vohitra ny faritra Vakinankaratra
Dépêche 04 avril, 13h, Hampiroboroboana sy omena lanja ny fizahan-tany eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny faritra Vakinankaratra. Ny tanjona amin’izany dia dia hahafahan’ny mpiala sasatra manakaiky kokoa ny zavaboary sy hiaina fiainana any ambanivohitra ary afaka mahita vokatra eo an-toerana sy manjifa izany. Nisy ny fitsidihana izay nataon’ny Ministry ny Fizahan-tany tany amin’ny Distrikan’ny Betafo ka nahafahana namoaka sy nahafantatra ireo tolotra ara-pizahantany any an-toerana ary ihany koa nahafahana mitady paikady hahatongavana amin’io tanjona io.
