Ankadikely Ikafy: Notolorana fanomezana ireo sefo zap
Namaly ny fangatahan’ireo sefo Zap ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, tamin’ity herinandro ity, ny avy amin’ny fiadidiana ny kaominina. Nisy ny fanolorana finday avo lenta azy ireo, araka ny fangatahan’izy ireo, raha ny voalaza.
« Araky ny fangatahin’ireo Sefo ZAP telo eto amin’ny kaominina dia namaly izany ny ben’ny tanànan’ankadikely-ilafy tamin’ity anio ity ka nanolotra ho azy ireo finday avo lenta izay hanampy betsaka azy ireo amin’ny asa sahaniny noho izy ireo tomponandraikitra voalohany amin’ny sehatry ny fampianarana eto anivon’ny faritry ny kaominina » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Ho an’ny ZAP Andranovelona manokana dia notolorana fanamiana mitovy (Maillot) ireo ekipa ara-panatanjahantena vehivavy ho fanohanana azy ireo. Nohamafisina nandritra izany fa raha mbola misy ny zavatra azo atao hanatsaràna sy hanohanana ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana dia vonona hatrany ny tomponandraikitra hanomen-tanana sy hanampy arak’izay azony atao » hoy hatrany ny fanazavana.
Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fanohanana sy fampitaovana ireo sehatra samy hafa ao an-toerana. Ny hetsika toa izao tokoa dia anisan’ny zava-dehibe ho fampivoarana ny asa eo amin’ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana.
