ActualitésTsidika

Ambohimangakely:  Mitohy ny fizarana ireo jiro mandeha amin’ny herinn’ny masoandro

Mitohy hatrany ny ezaka fizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ataon’ny kaominina Ambohimangakely. Ny fokontany Betsizaraina, faritra Amberobe, indray no notolorana izany ny talata teo.

« Tsy mbola mifarana fa mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fizarana jiro EP solaire isaky ny fokontany. Hisitraka izany avokoa ny fokontany ary ezahana ny hametraka hazavana eny amin’ireo toerana be olona sy elakelan-trano » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Anisan’ny mampihena ny tsy fandriam-pahalemana ny hazavana. Ny haizina noho ny fahatapahan-jiro lavareny moa dia efa hiaraha-mahafantatra ka ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro izao dia manampy be amin’izany » hoy i Sylvie, mponina ao Betsizaraina.

Zava-dehibe ho an’ny isam-pokontany ny fananana hazavana. Taratry ny fandrosoana ihany koa ny fisian’ny hazavana. Ilaina anefa ny fikojana sy ny fikoloana azy ireny tsy ho ripaky ny mpangalatra.

Laisser un commentaire