Ankadikely Ilafy : Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ireo lalana rari-vato
Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ireo lalana simba nampitaraina ny mponina ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Efa tonga ireo vato hanamboarana ny lalana ao an-toerana, raha ny voalaza.
« Amin’ny fotoanany avokoa ny zava-drehetra. Tonga ireo pavé miisa 5000 mahery izay hanamboarana ny lalana eny Antananandrano, amin’izao fotoana izao. Hanomboka ihany koa ny fanamboarana ny lalana miakatra mankao amin’ny rovan’Ilafy » hoy ny ben’ny tanàna lefitra ao amin’ny kaominina.
« Efa ela no niandrasana ny fandraisana andraikitra amin’ny fanamboarana ity lalana ity. Efa niaraha-nahita sy niaina ihany koa ny faharatsian’ny lalana teto ka hisaorana ny tomponandraikitra ary tokony ho tohizana hatrany ny ezaka amin’ny fampandrosoana izany » hoy i Henri, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Misy akony lehibe eo amin’ny fiainana andavan’andron’ny mponina ny faharatsian’ny lalana. Ao anatin’izany ny tsy fandriam-pahalemana, ny fahataran’ny fandrosoana, sy ny maro hafa. Manomboka amin’ny ezaka amin’ny fanamboarana izany tsikelikely moa ny kaominina ao an-toerana.
Manitra R.
