Maurice : Mitombo an’isa ny mpianatra ao amin’ny oniversite ao an-toerana
Oniversitem-panjakana ao Maurice ny University of Mauritius. Tamin’ny taona 1965 izy io no niorina ary fakiolte enina no misy ao aminy : « Lettres et Sciences sociales ; Sciences exactes ; Ingénierie ; Agriculture ; Droit et Administration ; Technologies digitales ».
Raha ny fanazavana dia mpianatra 3000 isa vaovao no andrasan’ny toeram-pianarana amin’ity taona ity. Izany no isa ny mpianatra antenan’ireo tompon’andraikitra amin’ity taona ity raha ny marimarina kokoa. Marihana fa 7000 ny mpianatra ao amin’io oniversite io amin’izao fotoana saingy hantenaina hiakatra 9000 izany amin’ny fidirana manaraka izao amin’ny 5 jona.
Tsiahivina fa nilatsaka ny isan’ny mpianatra tao an-toerana ny taona 2022 noho ny valan’aretina Covid-19.
