ActualitésTatitra

Japon : Kane Tanaka no olona antitra indrindra eran-tany

Voarakitra ao amin’ny « Livre Guinness des Records » fa i Kane Tanaka no olona antitra indrindra eran-tany. Teraka ny 2 janoary 1903 izy izany hoe 118 taona. Monina ao amina tobim-pahasalamana ao andrefan’ny firenena izy ary manantena ny hiaina hatramin’ny faha 120 taonany. Mbola mahavita mitaiza vatana maivamaivana izy raha ny fanazavana ary misakafo ara-pahasalamana. Olona fahatelo tratra antitra indrindra eran-tany tao aorian’ilay française Jeanne Calment, nahatratra 122 taona sy dimy volana ary 14 andro sy ilay américaine Sarah Knauss, niaina 119 taona sy 97 andro izy.

Laisser un commentaire