SocialTatitra

Afrique : Foko miavaka ny « Wodaabes »

Antsoina hoe « Bororos » na « Mbororos » ihany kosa ny foko « Wodaabes » izay midika hoe « les bergers à l’abandon ». Mpiompy mifindrafindra monina sy mpivarotra izy ireo ka tsy misy toerana raikitra ahitana azy. Nivezivezy ao Niger atsimo, Nigeria avaratra, Cameroun avaratra atsinanana, atsimo andrefan’ny Tchad ary ao amin’ny faritra andrefan’ny République centrafricaine izy ireo. Vao aingana ihany koa izy ireo no hita tao Congo-Kinshasa, faritr’i Bas-Uele sy Haut-Uele manamorona an’i Centrafrique sy Soudan.Malaza tsara tarehy ity foko ity, na ny lahy na ny vavy. Miavaka ny asa tànanan’izy ireo ary anisany foko manana fomba miavaka izy. Silamo ny foko na dia foko farany mbola mampihatra ny fomba amam-panao tany alohan’ny Islam aza izy. Anisan’ireo foko maro mpaka sary indrindra amin’ny foko africain izy raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire