France : Vehivavy tsy hita nandritra ny herinandro, hita faty tao Essonne
Hita fa efa tsy nisy aina intsony ny vatan’ilay tovovavy, 18 taona, tsy hita nandritra ny herinandro teo ho eo, Tany Essonne, tanàna iray any atsimon’ny renivohitr’i France. Teo amoron’ny lalambe A6, izay toerana feno kizo any Chilly-Mazarin, no nahitana azy, ny faran’ny herinandro teo. Marihina fa tsy mbola fantatra mazava ny tena zava-nisy tamin’ity tranga ity. Raha ny nahitana ilay tovovavy farany talohan’ny naha tsy hita azy dia tao Val-de -Marne, ny alarobia 14 febroary. Norasain’ny manam-pahefana tao Evry an-tanana moa ny fanadihadiana momba ity tranga ity.
