Alasora : Nandray anjara tamin’ny fambolen-kazo ireo mpianatry ny Lycée
Nandray anjara tamin’ny fambolen-kazo, niarahana tamin’ny ministera misahana ny tontolo iainana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ireo mpianatra avy ao amin’ny Lycée Alasora, tamin’ny herinandro teo. Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny « Mpianatra iray, hazo iray », araka ny voalaza.
« Sehatra roa tsy afa-misaraka ny fanabeazana sy ny tontolo iainana ka tafiditra indrindra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny roatonta ny fampidirana ny fanabeazana ara-tontolo iainana any an-tsekoly hanan’ny ankizy mpianatra toe-tsaina sy fomba fiaina mikajy ny tontolo iainana » hoy ny avy amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy.
«Hisaorana ny ministera tonga tety amin’ny sekoly, nitondra fanentanana satria tena ilaina tokoa ny mamboly azo amin’izao fotoana noho fahapotehan’ny tontolo iainana sy ny fisorohana ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. Manana andraikitra avokoa ny rehetra ankehitriny amin’ny fanaraha-maso azy ireny satria napetraka ho an’ny taranaka any aoriana » hoy i Sandra, mpirotsaka an-tsitrapo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Ankoatra ny tao Alasora dia nitarika fambolen-kazo tao amin’ny Lycée Ambohimangakely, Andoharanofotsy ary Ambanitsena ihany koa ny Minisitry Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Hazo fihinam-boa avokoa no novolena ary nanentana ny hanaovan’ny tokatrano tsirairay izany ihany koa ny Minisitra.
