ActualitésTatitra

Japon : Horohoron-tany goavana nahafaty olona efatra

Olona efatra no maty, ary olona an-jatony no naratra nandritra ny horohoron-tany nanana hamafy 7,4 amin’ny mari-drefin’i Richter niseho tao atsinanan’i Japon ny alarobia alina teo. Niteraka fampitandrena tondra-drano na « tsunami » tao amin’ny morontsiraka avaratra-atsinanan’ny firenena izany ny alakamisy maraina teo.Nandrava trano maro io horohoron-tany, nahavita nampiala fiaran-dalamby tamin’ny lalany (dérailler), natriatra lalana ary nanongana entam-barotra. Ny departemantan’i Fukushima sy Miyagi no tena voakasik’io loza io.Nilaza kosa ny masoivoho misahana ny toetry ny andro ao Japon fa ivon-toeran’ilay horohorontany nitranga ny alarobia teo tamin’ny 11 ora 36 minitra alina tao an-toerana (5 ora sy 36 minitra hariva eto Madagasikara) dia tany amin’ny 60 km ny halalin’ny ranomasina Pacifique. Niantso ny mponina tamin’ny morontsiraka niala ny toerana kosa izy ireo.

Laisser un commentaire