SportTatitra

Ligue des champions : Iza no hifanandrina amin’ny lalao ampahefa-dalana ?

Taorian’ny namaranan’ny Juventus Turin sy Villareal ary ny Chelsea sy ny Lille ny ampahavalon-dalana ny lalao « Ligue des champions » ny alarobia teo dia efa fantatra ny lisitry ny ekopa hiatrika ny lalao ampahefa-dalana.Ao anatin’izany i Liverpool izay naharesy ny Inter Milan, Bayern Munich naharesy ny RB Salzburg, Real Madrid naharesy PSG, Manchester City naharesy ny Portugal, Atlético Madrid naharesy ny Manchester United, Benfica Lisbonne naharesy ny Ajax Amsterdam, Chelsea, naharesy ny Lille ary Villarreal naharesy ny Juventus Turin.Androany 18 martsa kosa no atao ny fisarihana ireo ekipa hifanandrina sy ny fafana farany amin’io lalao ampahefa-dalana io. Hotontosaina ao amin’ny « Maison du football européen » ao Nyon, izany.

Laisser un commentaire