Israël : « Variant » vaovao fitambaran’ny BA.1 sy BA.2 no hita tao an-toerana
Mbola tsy foana ny Coronavirus saingy takon’ireo tranga maro samihafa miseho eran-tany. « Variant » vaovao mampitambatra ny « sous-variants » BA.1 sy BA.2 indray no hitan’ny tompon’andraikitra ara-pahasalaman’i Israël tao an-toerana ny alarobia teo.Olona roa no nahitana io « variant » io ary mbola tsy nisy nahita nandritra ny fotoana nisian’ny Covid-19 izany hoy ny tompon’andraikitra. Maivana kosa ny fisehon’ny aretina hoy izy ireo, mafana hoditra, marary an-doha ary manatsotsako ny vatana. Tsy ahatahorana mihoatra ireo « variant » hafa kosa izy ary heverina fa tsy misy tranga misy fahasarotana hoy i Salman Zarka, lehiben’ny paika hiadiana amin’ny Covid ao Israël.
