Ambohimanga Rova : Nozaraina fitaovana ireo mpianatra ao amin’ny EPP Ambohimarina
Tonga nanatanteraka adidy teny amin’ny EPP Ambohimarina Ambohimanga rova ireo mahalala tanana avy ao an-toerana ho fanampiana ireo mpianatra avy ao an-toerana ihany. Ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahana izany fizarana fitaovam-pianarana sy fanomezana ho an’ireo izay afa-panadinana CEPE tao an-toerana hatrany.
« Hisaorana lehibe an’Andriamanitra fa vita soa aman-tsara ny adidy teto amin’ny EPP Ambohimarina. Araka ny fitsinjarana azy dia ireo ankizy vao niditra teo dia nomena cahier de ligne sy protège mena,crayon de couleur, éponge ary biscuit tsirairay avy.Hitambaran’izy rehetra kosa pâte à modeler 2 paquets hanaovany sahanasa, ary la craie 2 boîtes (miloko sy fotsy) » hoy ireo nitondra fanampiana tao an-toerana.
« Natolotra teto nandritra izany ihany koa ho an’ireo afaka ny fanadinana CEPE, ny vola nanaovana fanamby ka 20 voalohany no tsara indrindra ka notolorana 5000 ar avy, mianadahy izy ireo ary ireo afaka fotsiny dia notolorana 2000ar avy » hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa, fa tsy vao izao ihany fa efa nitondra fanampiana ho an’ny EPP ao an-toerana ity olona mahalala tanana ity fa efa hatramin’izany. Mandeha amin’ny herin’ny tenany manokana izy ao anatin’ny fanatanterahana izany.
Manitra R.
