SocialTsidika

David Karp : Ny atao hoe tena mpandraharaha

Mbola vitsy an’isa no te hisehatra eo amin’izany tontolon’ny fandraharahana izany raha ny tsapa ankehitriny. Mitaky finiavana sy herin-tsaina ary herim-po tanteraka mantsy izany, ary amin’ny alalan’izany no ahafahana mirotsaka ao anatin’ny sehatry ny fandaraharahana. Vokatr’izany, lasa tsy miasa ho an’ny hafa intsony ianao fa efa manana ny orinasa ho anao manokana. Tsy misy afaka mibaikobaiko na koa hoe ho irakiraka intsony ianao noho ny filofosanao.

Olona izay niainga tamin’ny nofinofy na faniriana no antsoina hoe mpandraharaha aloha voalohany indrindra. Rehefa avy nanofinofy izy dia nanana fikirizana sy herim-po ka nitsangana nanatontosa izany. Nataony tanteraka teo amin’ny fianany ny faniriany ka zary lasa tsy nofinofy intsony. Araka ny efa amabara foana moa dia sedra maro sy dingana maro no lalovana vao tonga eo amin’izany fandraharahana izany ny olona iray. Olona vonon-kiady, olona tsy mora kivy, tsy mora voarebireby, olona matanja-tsaina sy be herim-po ary finiavana no antsoina hoe « mpandraharaha ». Fehiny, zavatra roa ihany no tena ifotorany : ny vina izay napetraka ; sy ny fanatanterahana azy.

« Niainga tamin’ny fanafody natoraly fanao ao an-tokantrano ireny izao no niaingako. Ny tantely sy ny sakamalao afangaro izay lasa ody koaka. Izany no nohitariko ka lasa nananako orinasa iray mpamokatra fanafody natoraly 100% tanteraka amin’izao fotoana izao » hoy i Nirina, tanora mpandraharaha. « Tsy voatery ho mpandraharaha foana koa anie ianao vao afaka ny handroso eo amin’ny fiainana e ! Satria raha mba manana vina izany ianao ka tsy afaka ny hanatanteraka izany dia tsy ho mpandraharaha mihitsy. Inona anefa no mety tombontsoa ho azo raha lasa mpandraharaha ianao ? » hoy kosa i Tantely, tanora.

Raha ny nambaran’i David Karp, mpanorina sy Tale jeneralin’ny Tumblr « ny mpandraharaha dia olona manana vina ary maniry ny hanatanteraka izany ». Mpandraharaha ihany koa ity olona iray ity ary noho ny traikefa efa azony no nilazany io teny io. Nandalo dingana maro ihany koa mantsy izy vao tonga tamin’io toerana maha tale jeneraly azy io.

Tokony tsy ho tsinotsiniavina ny tenin’ireny efa mpandraharaha ireny satria miainga amin’ny dingam-piainana maro nolalovany no namoahany teny toy io. Saingy, maro no tsy mba tia karokaroka ka tsy mahita na tsy mahalala ny fisian’izany teny sy hevitra mafonja izany akory. Noho izany, tokony halala-tsaina ve ny tanora rehetra tsy an-kanavaka ka handalina ny teny sy toro hevitra toy ireny ? Ary tena miavaka tokoa ny tombontsoa azo avy amin’izany fandraharahana izany sa dia mitovy amin’ny olon-tsotra ihany ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire