Ankadikely ilafy : Tery ny lalana ao anatin’ny tsenan’Anbohitrarahaba
Mitaraina ireo mpiantsena ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy, noho ny fahateren’ny tsena. Zara raha misy itsofohanlny tongotra ary tsy azon’ny tongodroa hidirana intsony izany, araka ny voalaza.
« Efa an-taonany maro no tahak’izao ny niainan’ny mpivarotra sy ny mpanjifa ato amin’ny tsena. Tsy mbola nisy ny fandaminana na fanovana fa miaina amin’ny zava-misy ny rehetra kanefa tokony asiana fanitarana izany » hoy i Sahondra, mpiantsena.
« Ilay fanarahan-dalana sy ny fanajana ny fenitra eo amin’ireo mpivarotra no tena hita olana mahatonga io. Tsy manaraka ny fenitra izy ireo hoe tokony hijanona ao anatin’ny faritry ny fivarotany fa mamoaka ny entana amidiny ivelany avokoa hany ka ireo mpandeha sy mpiantsena no lasibatra sy lasa miafy amin’ny fahateren’ny lalana » hoy i Tojo, mponina ao Ambohitrarahaba.
Toerana iray fifamezivezen’ny olona maro ny tsena. Tokony hilamina sy hirindra izy ireny araka izany. Ilaina fandaminana anefa izany ary samy tomponandraikitra avokoa na ny mpivarotra na ny mpiantsena ao anatin’izany.
