SocialTsidika

Amorondria Sabotsy Namehana : Tanàna betsaka mpanjono eto Antananarivo

Rehefa miresaka izany hoe « Avaradrano » izany dia maro be ny tanàna manana ny tantarany ato, ary indrindra manamarika ny vohitr’Imerina mihitsy izany. Ny maha Avaradrano an’Avaradrano dia izy avaratry ny ranon’Ikopa. Ny fokontany Amorondria no hojerena androany, izy izay hita miorina ao anatin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.

Tsy dia lavitra fa toy ireo kaominina sy fokontany Avaradrano dia 12 km miala ny renivohitra no misy azy ary raha avy eo Sabotsy kosa dia 2km eo ho eo no misy azy.

Misy hifandraisany amin’ny vohitr’Ilafy izy io, ary indrindra mifandray amin’izay no nahatonga ny anarany, raha ny fitantaran’ny sefo fokontany : « nisy mponina avy any Ilafy nikasa ny hifindra monina ho any Namehana. Tsy nety tamin’izy ireo anefa io toerana io, ka teo izy no nahatsinjo ity vohitra hoe Amorondria ity, nasain’ny mpanjaka nikisaka tery amorona tery mantsy ireto olona ireto rehefa avy ao Ilafy ary izay no tena fototr’ilay anaran-tanàna ».

Fahiny koa dia isan’ny toerana nametrahan’ny mpanjaka Andrananmpoinimerina ny ombiny ity tanàna ity, ary tao ihany koa no nisy zanak’omby anisan’ny tian’Andrianampoinimerina indrindra. Rehefa maty io omby io dia nalevina tao Amorondria. Ilay rano be antsoina hoe « Laniera » no anisany tena ahafantarana an’Amorondria. Teo amin’io toerana io koa mantsy no niaingan’ilay tenin’Andrianampoinimerina hoe « ny ranomasina no valam-parihiko ». Tsy azo hambolena na inona na inona eo amin’ny manodidina io toerana io. Rehefa miakatra mantsy ny rano dia ao no ivon-toerana itobiany mba tsy hivoaka amin’ny lalan-kafa izany rano izany.

Rah any fitantaran’i Yvonne, mponina eny an-toerana dia « mbola hita eto an-tanàna koa ilay hazo antsoina hoe hitsikitsika, hazo iray izay manamarika ny niandohan’ny tanàna mantsy izy io, ary efa tena tamin’izany vanim-potoana izany no nisiany teo, mbola maintso ary tsy mikoro io hazo, ka midika izany fa tena manana ny hasiny ».

Nisy trano valo tao Amorondria fahizay ary nahitana mpanandro tao an-toerana tamin’izany fotoana. Misy mpanotra maro ihany koa ao an-toerana. Talenta nolovaina tamin’ny razam-be mihitsy izy io ary mampiavaka sy mampalaza ny tanànan’Amorondria.

4 500 mahery eo ho eo, raha ny fanisàna farany ny isan’ny mponina,. Ankoatra ny tantsaha kosa dia maro ireo manarato sy manihika eo amin’io toerana io amin’ny maha Amorondria azy. Be velarana ny tanàna, ary ahitàna toerana mhaliana sy mahate hitsidika maro.

Raha hihazo ny tanàna dia ny zotra « H » mihazo an’ny Sabotsy Namehana ihany no andehanana, ary tsy lavitra no misy azy. Mandray ny olona mitsidika sy mijery ny tanàna ny mponina ao ary maro zavatra mahaliana koa, afaka manjono sy maka rivotra ary mihotra koa raha reradreraka ka mandalo any.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire