SocialTsidika

Fahombiazana : Ny olona tena mitady izany fatratra no hahita azy

Tsy misy olona tsy maniry ny hahomby na tsy maniry ny hahazo fahombiazana eo amin’ny fiainana. Tsy ho hitan moramora foana anefa izany, fa amin’ny alalan’ny fikirizana mitady azy no ahitana azy. Raha ny sehatry ny fandraharahana manokana no resahina eto, tsy afa-misaraka amin’izany ny fahombiazana, izay no vokatra tsara indrindra ho azy ireo.

Isan’andro isan’andro, rehefa mbola mihiratra ny maso roa dia apetraka foana ilay tanjona na vina tinaoa ho tratrarina. Saingy mitsangana, avy eo manatanteraka izany haingana, fa sarobidy ny fotoana. Ireo zavatra roa ireo noho izany no tsy maintsy mifanaraka mba ahatongavana any amin’ny fahombiazana. Marihana fa tsy izay manofinofy rehetra ka manatanteraka izany no tafiditra ao amin’ny tontolon’ny fandraharahana, fa ireo izay maniry hanangana orinasa ho azy manokana ka ho filoha mpitarika fa tsy ho olona ho tarihana. Tsy mpandraharaha ianao raha manam-paniriana ny hiasa amin’ny orinasa lehibe anankiray ary tafiditra soamantsara avy eo.

Ny atao hoe mpandraharaha dia olona manana orinasa iray ho an’ny tenany manokana ka izy no mpitarika sy misahana ny zvaa-drehetra ao. Tsara marihana ihany koa fa samihafa tanteraka izany fandraharahana sy fahombiazana izany, azo antsoina hoe olona nahomby ianao rehefa tafiditra ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana. Kanefa, tsy voatery ho mpandraharaha foana ianao raha nahita fahombiazana.

« Faniriako lehibe indrindra izany hoe afaka Baccalauréat izany ahafahako misehatra ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana. Faly aho ankehitriny noho ny filofosako dia tafita aho ary efa eo an-dalam-panatanterahana ny fandraharahana tiako hatao » hoy i Isabelle, tanora te ho mpandraharaha. « Amiko aloha tsy dia liana loatra amin’ilay resaka fandraharahana aho e ! Rehefa misakafo tsara sy mahita vola hivelomako aho dia efa ampy ahy izay » hoy kosa i Josée, tanora.

Manoloana ireto hevitra roa mifanipaka ireto no anolorana antsika ny tenin’i Henry David Thoreau (essayiste, poète et philosophe) hoe : « tonga ho azy any amin’ireo mitady azy fatratra ny fahombiazana ». Mety tsy hahita fahombiazana mihitsy ity tanora faharoa ity raha ny zavatra nolazainy noho ny tsy fananany finiavana.

Tokony ho tia karokaroka sy tia mametraka fisainana lalina ny tsirairay mba ahafahany miroso ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana. Tsy hahazo asa raikitra mihitsy mantsy ianao raha tsy mirotsaka ao anatin’io sehatra io ary ao no hinoana fa tsy hahafaty antoka anao. Noho izany, inona no mety mbola ho sakana tsy hirosoan’ireo tanora sasany ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana ? Mbola manana olana ve izy ireo sa tsy manam-paniriana ny hisehatra eo amin’izany mihitsy ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire