Torohevitra : Fomba tsotra hanalavana sy hanatevenana ny hoho
Anisan’ny sarotra ho an’ireo vehivavy ny mahazo hoho lava kanefa mafy. Olana sedraina tokoa rehefa manomboka mahazo alavana ny hoho dia silaka na vaky na tapaka mihitsy aza. Azo karakaraina tsara amin’ny fomba tsotra anefa izy io fa tsy voatery hanao “vernis” matevina foana vao afaka manana hoho mafatifaty sy manintonan ny maso.
Ny fomba voalohany, atao izay hampatevina ny hoho. Tsara karakaraina ny hoho mba hampatevina azy. Mahatonga ny hoho ela faniry na mora tapaka ny haleminy izany hoe rehefa malemy loatra ny hoho dia lasa silaka; eo ihany koa mety vokatry ny tsy fahampiana calcium ao anatin’ny vatana ka misy fiantraikany amin’ny hoho izany. Ny atao, dia maka voasarimakirana. Kosehina amin’ny voasarimakirana ny hoho mba hampafotsy sy hanamafy azy; avela eo izany mandritra ny 5 minitra, avela ho mainan’ny rivotra. Rahefa izy dia averina lomana anaty vilia jobo nasiana ranona voasarimakirana indray. Averina matetika izany fomba izany, ary hita eo no eo ny vokatra.
Ny fomba manaraka dia ny fampiasana ranontsira. Anisan’ny manamafy sy mampatevina ny hoho ny fampiasana ranon-tsira. Asina sira ny rano matimaty kely, lomana ao ny tanana mandritra ny 10minitra ary hisongadina avy hatrany ny vokatra. Hadio, hihamafy ny hoho ary hiala ny vakivaky ka vetivety dia haniry.
Ankoatra ireo, azo atao ihany koa ny mampiasa menaka oliva, ny vinaigitra fotsy hanorana ny hoho. Mitovy avokoa ny vokatra azo fa miankina amin’ny fahefana hividy ireo akora sy ny fahazotoana mikarakara izany rehetra izany.
Manitra R.
