Hiaka-tsehatra i Momota sy Gothlieb
25 Jona, 09h12. Hanatanteraka hetsika androany i Herinaivo Andriamasinoro fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Gothlieb na Momota. Ho tanterahina etsy Santilo Anosizato izany ary anomboka amin’ny 9 ora maraina. Hiakava ity fotoana ity satria iara ian-tsehatra i Momota sy i Gothlieb. Mikasa ny hanome fifaliana ho an’ny lehibe sy ny kely ity mpanao atsikana ity amin’io fotoana io. Amin’ny 11 ora no iarahin’ny ankizy kely amin’i Momota ary manomboka amin’ny 1 ora ny fiarahana amin’i Gothlieb. Tsy hifarana ny fiarahana amin’ireo olona roa ireo nefa azo lazaina ho tokana ihany raha tsy amin’ny 6 ora sy sasany.
