Ukraine : Nibaiko ny fanakana ny tranokalam-baovao Russe i Ukraine
Napetraky ny filoha Volodymyr Zelensky ny alahady teo tamin’ny alalan’ny didim-panjakana ity fanampahan-kevitra ity. Efa nodinihana nandritra ny filan-kevitry ny filaminam-pirenena izany. Manodidina ny 12 ireo tranokalam-pifandraisana Russe voakasik’ity fanadiovana ity, anisan’izany ny Vedomosti sy ny Moskovski Komsomolets.
Tsy nisy fanazavana kosa ity fanampahan-kevitra ity fa raha ny fanehoan-kevitry ny mpitondra tenin’ny Kremlin, Dmitri Peskov dia dingana iray hafa hamongorana ny fahalalahana maneho hevitra ao Ukraine izany. Nanameloka an’ny Kiev manadio ny sehatry ny fampahalalam-baovao ao amin’ny firenena amin’ny fanafohanana ireo loharanom-baovao manelingelina azy izy.
