Russie : Nanambara fitsaharan’ady vaovao indray namoahana ireo sivily an’i Ukraine i Russie
Nilaza ny lehiben’ny ivotoeram-pitantanana ny fiarovana nasionaly ao Russie, Mikhail Mizintsev, fa hamela malalaka ireo sivily hiala an’i Ukraine ny tafik’izy ireo. Natomboka omaly tamin’ny 10 ora (ora ao Moscou) izany ary ny navela niala tao anaty fandriam-pahalemana tanteraka ireo sivily tao Kiev, Tchernihiv, Soumy, Kharkov ary Marioupol.Tetsy ankilany dia nilaza i Etats-Unis fa tsy azo hevirina ilay tolokevitr’i Varsovie amin’ny fanomezana fiaramanidina Mig-29 an’i Ukraine indray. Antony hoy izy ireo ny fahafahana mibaiko alavitra ireo fitaovana noklearin’ny Tchernobyl ao Ukraine, manahy izy ireo sao ho hofehezin’i Russie izany ka hanimba ireo rafi-pikarohana ao Ukraine izy ary higeja ireo fitaovana saro-pady.
