Italie : Apetraka manomboka ny 6 aogositra izao ny « passe sanitaire »
Nanapa-kevitra ny governemanta tarihin’i Mario Draghi ny alakamisy teo fa hametraka ny « passe sanitaire » eo amin’ny fidiran’ny tranon’ny trano fisotroana, fisakafoanana, dobo filomanosana, efitrano fanaovana fanatanjahan-tena, fijerena horonan-tsary, teatra ary filalaovana. Hatomboka ny 6 aogositra izao io fepetra io ho an’ny toerana mihiboka na mihidy rehetra io. Ankoatra izay dia ho ampiasaina ihany koa io « passe » io ho amin’ireo hetsika ara-panatanjahantena, fampisehoana, lanonana, foara ary fiaonam-be. »Fitaovana ahafahan’ny Italien manohy ny asa aman-draharahany ity passe sanitaire ity ary fanomezana antoka azy ireo tsy hifampitakosina amin’ny olona mitondra ny tsimok’aretina » hoy ny fanazavan’ny praiminisitra nanritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao Palazzo Chigi ivo-toerana ao Rome. Nankatoavina nandritra ny filàn-kevitry ny minisitry tamin’io fotoana io izany fepetra izany. Mbola mikatona kosa ireo toeram-pandihizana saingy omena fanampiana izy ireo mandra-piova ny fepetra.
