ActualitésTatitra

Maurice : Mbola tsy nidina ny vidin’ny solika

Efa nidina ny vidin’ny pétrole brut ao amin’ny nosy Maurice ka efa niandry ny fidianan’ny vidin’ny solika ireo mponina tao an-toerana saingy raha ny fantatra dia vola voatana ny vidin’ny solika tamin’ny volana may teo izay mahatratra 1,58 Euros ny litatra. Raha nikajikajy nataon’ireo fikambanan’ny mpanjifa nefa dia tokony hidina 10% ny vidin’ny solika.

Nitondra fanazavana kosa ireo orinasa mpanafatra solika fa misy lesoka tokony hofenoin’izy ireo ka tsy mbola afaka nampidina ny vidin’ny solika izy ireo. Nanameloka ny fanjakana kosa ny lehiben’ny fanoherana Arvin Boolell fa tsy marina ny fitondrana ary mamitaka ny mpanjifa.

Laisser un commentaire