15 septambra : Andro iraisam-pirenena ho an’ny Demokrasia
Ny 15 septambra no andro natokana maneran-tany ho an’ny demokrasia na ny fahefan’ny vahoaka amin’ny vahoaka ary ho an’ny vahoaka. Miseho amin’ny endriny maro ny demokrasia eo amin’ny firenena Repoblika iray.
« Ny fahalalahana amin’ny fanehoan-kevitry ny olona rehetra izay amin’ny fotoana rehetra sy any amin’ny toerana rehetra » hoy i Zoely, mpano gazety. « Mahantra ny firenena iray tsy mampanjaka ny demokrasia satria tsy afaka miaina malalaka ny mponina » hoy i Faly, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo. « Firenena Demokratika i Madagasikara, noho izany tsy ekena ary fanitsahana ny zon’ny vahoaka mihitsy ny tsy fanajana ny safidin’ny vahoaka indrindra mandritra ny fifidianana izay isan’ny endrika maneho fa mampanjaka ny demokrasia ny firenena iray » hoy i Andry, raim-pinakaviana.
Mila ampanjakaina noho iznay ny Demokrasia ary ny mpitondra ihany koa dia mila manaja ny safidin’ny vahoaka ny amin’izay hitondra ny fireneny. Betsaka anefa ny mpitondra tsy mahazaka an’io demokrasia io hany ka manao fitondrana didy jadona. Aiza ho aiza ny fampajakana ny Demokrasia eto amin’ny firenentsika ? Firy izay ny aina nafoy teto amintsika ny amin’ny fiadiana io Demokrasia io ?
Nicole Rafalimananjara
