ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nanolotra fitaovana ho an’ny EPP Antanetibe Ikianja ireo mpiara-miasa vahiny

Taorian’ny fijerena ifotony ny EPP Antanetibe Ikianja, nataon’ireo teratany vahiny, mpitondra fanampiana. Dia tonga an-toerana izy ireo tamin’ity herinandro ity, ary nanolotra fitaovana isan-karazany hanampiana ny sekoly.

« Dabilio 30 isa ho an’ny mpianatra, seza 5 sy latabatra 5 ho an’ny mpampianatra. Ankoatra ireo, étagères telo isa hametrahana fitaovana ho an’ny mpampianatra no natolotr’izy ireo » hoy ny tomponandraikitra.

« Nitondra fanavaozana ny trano fandrahoana sakafon’ny mpianatra ihany koa izy ireo. Ary nanolotra vary 50kilao sy katsaka 50kilao mba hanampiana ny sakafon’ny mpianatra » hoy hatrany ny fanazavana.

Manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izao fanolorana fanampiana izao. Nandray izany tao an-toerana moa ny lefitra voalohany ao amin’ny kaominina, niaraka tamin’ireo tomponandraikitry ny sekoly sy ny mpampianatra ary ny sefo Zap.

Laisser un commentaire