Sabotsy Namehana: Nitondra fanamboarana ireo lalana nahitana fahasimbana ny kaominina
Nitondra fanamboarana ireo lalana nahitana fahasimbana ao an-toerana ireo tomponandraikitry ny kaominina Sabotsy Namehana. Ao anatin’izany ihany koa, manentana ireo mponina mahakasika ny fikojana izany ireo tomponandraikitra.
“Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fanamboarana sy fikojana ny lalana mba hampateza azy. Izany indrindra no hanentanana ny mponina hatrany mba samy hitandrina sy ho sarotiny, indrindra mba tsy hanary rano maloto sy fako eny an-dalana satria foto-drafitr’asa iombonana izy ireny” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Hita tokoa fa tena miezaka ny kaominina amin’ny fanamboarana ireo lalana ahitana fahasimbana ety an-toerana, saingy tokony fanamboarana maharitra mihitsy no ataon’izy ireo mba tsy hiverenan’ny fahavoazana matetika. Ankoatra izay ny fanamafisana ny sazy ho an’ireo olona tratra tsy manaja ny fahadiovana sy manary rano maloto amin’ny lalana iombonana” hoy i Ando, mponina ao Sabotsy Namehana.
Mbola maro ireo lalana mila fikojana sy fanatsarana eny amin’ny fokontany maro, ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Mangataka ny hijerevana izany tsirairay ihany koa ny mponina fa indrindra mangataka ny fanamafisana ny fanentanana sy ny sazy ho an’ireo mpanimba ny fananana iombonana.
Manitra R.
